Taratasy Voalohan'i Md. Joany
Toko faha-2
18 Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.19 Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra. 20 Fa hianareo kosa dia voahosotr'ilay masina, ka mahalala ny zavatra rehetra. 21 Tsy noho hianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho hianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin'ny marina.
